ActualitésTatitra

Etats-Unis : « Somethin’ Stupid », hira nalain’i Frank Sinatra tahaka tamin’i Barijaona

Hira voalaza fa nosoratan’i Carson Parks noraiketina voalohany tany amin’ny taona 1966 tany ny « Somethin’ Stupid ». I Carson Parks sy ny vadiny Gaile Foote no nanatontosa izany. Ny fampiaraham-peo indrindra amin’io hira io kosa dia ilay nataon’i Frank Sinatra sy ny zanany vavy Nancy Sinatra tamin’ny taona 1967.

Raha ny fanatatra dia ny mpanakanto malagasy Barijaona no namorona ny feon’io hira nadikan’i Frank Sinatra io. Raha tsiahivina dia ny taona 40 hatramin’ny 60 no mampalaza an’i Barijaona, tany amin’ny taona 50 sy 60 nefa no niparitahan’ io hira nadikan’i Frank Sinatra io. « E Tomarataratra » no lohatenin’ny hiran’i Barijaona handresesana ny feon’io hita nataon’i Frank Sinatra io.

Mpanakanto malagasy anisan’ny be nangalatra hira indrindra i Barijaona. Ankoatra an’i Frank Sinatra dia efa naka ny hirany ihany koa i Robbie Williams sy Sacha Distel.

Laisser un commentaire