ActualitésSocialTsidika

Alasora: Nisy nametraka éponge feno fantsika ny lalana Alatsinainy-Ambohitromby

Nisehoana tranga hafahafa tao amin’ny fokontany Alatsinainy, Ambohitromby, kaominina Alasora ny alin’ny alatsinainy teo. Nahitana éponge feno fantsika ny lalana tao an-toerana. Tamin’izay ihany dia nirotsaka an-tsehatra nijery ny zava-misy ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana, araka ny voalaza.

“Tsy fantatra mazava ny tena zava-mitranga na fandrika entin’ireo olon-dratsy na fampihorohorona entina hampitahorana ny zavatra tahaka izao saingy ao anatin’ny fanaraha-maso akaiky ny zandary ary manentanana ny mponina ho samy ho mailo sy hampandre hatrany ny mpitandro filaminana raha misy ny tranga mampanahy” hoy ireo avy amin’ireo zandary.

“Mampatahotra ny resaka tsy fandriam-pahalemana amin’iny faritra iny ary tena misy mpanendaka eo an-toerana. Matetika dia ireo mpitondra moto no lasibatra. Ny olana ihany koa somary maizina iny lalana iny noho ny tsy fisian’ny jiro manazava ka hanaovana antso avo amin’ireo mpitandro filaminana” hoy i Tantely, mponina eny amin’ny manodidina.

Nahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato tao amin’ny kaominina Alasora. Miandry ny fandraisana fepetra sy fametrahana lamina entina hampandriana fahalemana araka izany ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire