ActualitésTatitra

Maurice : Miasa betsaka amin’ny toe-karena ny « Golf »

Amin’izao fotoana dia misy « parcours de golf » 10 misy lavaka 18 sy « parcours de golf » 3 misy lavaka 9 ao amin’ny nosy Maurice. Raha mandray anjara tsy tapaka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fizahan-tany ao amin’ny firenena ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe eo amin’io taranja io dia miteraka asa ho an’ny mponina sady fidiram-bola betsaka mandritra ny taona ihany koa izany.

Ny mpizahatany « golfeur » iray tonga ao amin’ny nosy dia mandany vola 20% mihoatra ny mpizahatany tsotra iray raha ny fanazavana. Mampitombo 5 % avy hatrany ny vola miditra amin’ny ankapobeny eo amin’ny indostrian’ny fizahantany raha ny fanamafisana. Ny fahazoan-dàlana, ny mpanohana, ny vola azo avy amin’ny manam-pahefana sns ihany koa dia isany no loharanom-bola lehibe.

Tamin’ny taona 2019 dia 1,2 tapitrisa ny mpitsidika tao amin’ny nosy ary « golfeur » 60 000 tamin’ireo.

Laisser un commentaire