ActualitésTatitra

La Réunion : Nahomby avokoa ireo mpianatra nanao adina nidirina tao amin’ny Sciences Po Paris

Rha tsiahivina dia mpianatry ny lisea fito no nahazo vatsi-pianarana Crowe tao amin’ny Science Po Paris ny herinandro lasa teo. Samy nanao fanadinana fifaninana tao amin’ny sekoliny avy izy ireo ary isan’ireo tsara naoty indrindra ka niatrika ny adina am-bava tao Science Po Paris nivantana.

Tafiditra ao amin’ny sekoly avokoa ireo kandida iray ary nilaza ny filohan’ny faritra ao la Réunion, Huguette Bello nandritra ny fanomezam-boninahitra azy ireo tao amin’ny Hôtel de la Région fa hanaraka ny dian’ireo anaran’olona sangany avy ao amin’ny nosy ireo mpianatra ireo ary hitondra avo ny lokon’ny nosy.

Mamokatra varavarana sy fahafahana maro ny fianarana. Ahafahana misokatra amin’izao tontolo izao izany ary mampiditra ao anatin’ny tsirairay ny hasin’ny fifampizarana sy ny fifandeferana hoy ksa ny filohan’ny sampana Réunion Sciences Po Alumni, Guillaume Govindin.

Laisser un commentaire