Tatitra

Pérou : Manana tantara ny vohitra « Machu Picchu »

Machu picchu dia karazana tanàna fahiny, anisan’ny iray amin’ireo vakoka manan-danja sy manantatara eto amin’izao tontolo izao. Efa tany amin’ny taon-jaoto faha-XV tany no niorenan’ny Incas azy, ireo olona namorona sy nipetraka tao tamin’ny fotoanany ; ary tamin’ny taona 1911 no nahitan’ireo mpikaroka amerikanina azy voalohany.

Miorina any amin’ny tendrombohitr’i Andes, any Perou any no ahitana azy ; voadidina karazana ala sy lohasaha ary ny anisan’ny tena mampiavaka azy amin’ireo vakoka manantantara hafa dia ny fahitana ireo rova, ny tempoly, ny kianja, ny rindrina sy ny tanàna mihorona amin’ny karazam-bato lehibe, ary izy manana ireo antsoina ho vato masina mifono misitery ho an’ny mpandinika sy mpikaroka arkeolojika.

Ny « Machu Picchu » no toerana manantantara be mpitsidika sy misintona mpizaha-tany indrindra ao Amerika ary tamin’ny taona 1983 izy no nambaran’ny Unesco fa « Patrimoine naturel et culturel de l’humanité ».

Laisser un commentaire