Tsidika

Imerina : Notsongoin’olombolo teto i Rainibemanantsoa, 14 Voninahitra

Teraka tamin’ny taona 1821, izany hoe fony faha-Radama I, ary maty ny volana Desambra 1908 teo amin’ny faha 87 taonany i Rainibemanantsoa.

Tsimiamboholahy Andriaminovola no firazanany, ary anakiray tamin’ireo Zafikelin’i Hagamainty, mpanolotsainan’Andrianampoinimerina izy, avy amin’ny lafin-dreniny. Zanak’olo-mianadahy i Rainibemanantsoa sy Rabodomiarana renin’ny Praiministra Rainilaiarivony. Izany hoe dadatoan’ny Praiministra i Rainibemanantsoa. Rafaralahy Andriantiana, ilay Governora fanta-daza napetra-dRadama I tao Mahavelona (Foulpointe) kosa no rainy. Ity farany izay sady nanambady an-dRatsitenenina no nanambady an-dRavaozokiny anabavin-dRadama ary samy niterahany ireo. Efa nanomboka tamin’ny andron-dRasoherimanjaka no naha ofisedipalina (officier de palais) azy.

Ankoatra izay, Manamboninahitra lehibe mpifehy miaramila ihany koa izy, na irony antsoina hoe « Fasy Borigedry ». Ny teny hoe « borigedry » dia fanagasiana ny teny anglisy « brigade », izay nentina nilazana antoko miaramila lehibe izay nahitana rezimanta roa na telo. Ny teny hoe « fasy » kosa eto dia fanagasiana ny teny anglisy « first » na voalohany. Ny « Fasy Borigedry » izany eto azo adika hoe « Voalohany amin’ny Borigedry » na « Lehiben’ny Borigedry ».

Teo Ambatobevanja, teo andrefan’ny tranon-dRandravalahy fahiny no nisy ny tranony, saingy nanana trano sy tanàna maro hafa ihany koa izy, izay nolovainy tamin’ireo razany. Anisan’izany ny trano sy tokontany lehibe teo Antanimena izay mifanila amin’ny fasan-drazany, izay nandevenana azy ny volana desambra 1908.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire