ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Lalao fifanintsanana amin’ny « Tournoi 26 Jona 2022 »

Mbola mitohy foana ny lalao « Tournoi 26 Jona » amin’izao ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Miisa 16 ireo handray anjara amin’ny lalao fifanintsanana ny 30 aprily sy ny 01 may ho avy izao.

« Manasa antsika mpankafy baolina kitra ho tonga maro hatrany. Efa misy ny fandaharan-dalao napetraka ho amin’ny 30 aprily sy ny 01 may izao. Eny amin’ny kianjan’ny Fifankatiavana no hanatanterahana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Mahafinaritra ny mijery lalao baolina kitra tahaka izao. Sady miala voly ny mponina no miala voly ny mpilalao. Hirariana ny hitohizany foana » hoy i Germain, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Miroborobo tokoa ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano. Saika ahitana lalao avokoa manerana ny Kaominina eto Avaradrano.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire