Anosy Avaratra : Nisy ny fizarana fanafody maimaimpoana
Nifarana ny 27 aprily teo ny hetsika fizarana fanafody maimaimpoana hiadiana amin’ny ongobe, bilarziozy, Kankan-tsinay tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Nanerana ny Fokontany rehetra no nanatanterahana ny hetsika, izay nanomboka ny 25 aprily.
« Ireo zaza 5 hatramin’ny 15 taona no nisitraka ity fizarana fanafody hiadiana amin’ny aretina maro ity. Miara-miasa hatrany amin’ny fahasalamam-bahoaka izahay mba hisitrahan’ny rehetra ny fahasalamana » hoy i Mahefa Altensio Germier, mpitsabo iray ao Anosy Avaratra. Mitohy hatrany ny ezaka hampandrosoana ny tanàna. Raha tsy salama tokoa ny vahoaka dia tsy mandroso ny firenena.
Zava-dehibe tokoa ny hetsika ara-pahasalamana toy izao izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ ny fitondram-panjakana. Maimaimpoana ny hetsika ary fotoana hanararaotana ny fitondrana ny zanaka amin’izy ireny.
Nicole Rafalimananjara
