Fiompiana : Miparitaka ny aretin’omby ao Vakinakaratra, mitaraina ireo mpiompy
Nanjaka ny aretin’omby tao amin’ny faritra Itasy izay tena nampitondra faisana ireo tantsaha mpiompy, misy aretin’omby ihany koa ao Vakinakaratra amin’izao fotoana izao ka efa maro ny ombivavy be ronono no maty.
Nivoaka ny resaka fa noho ny fahatongavan’ireo ombivavy nafaran’ny fanjakana no nahatonga izao aretina izao. « Salama tsara daholo ireo omby nafarana ireo talohan’ny nahatongavany teto amintsika ary tsy avy amin’ireo ombivavy avy any Frantsa ireo mihitsy no nahatonga izao aretina mamono ny omby eto izao » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fifamanor.
Tetsy an-kilany anefa nilaza ny mpitsabo biby iray fa « tahaka ny olombelona ihany, misy ny omby mitondra arteina, saingy tsy hita ety ivelany izany. Mitovy amin’ny porteur sain ireny ihany izany, izay miankina indrindra amin’ny hery fiarovany avy ». « Tena mijaly izahay mpiompy fa izay fihariana kely dia maty indray. Tsy hita izay atao ka very hevitra tanteraka izahay » hoy i Joro, mpiompy avy any Antsirabe.
Marihina fa ny mba hanatsarana ny taran’ombivavy be ronono no tena nanafarana ireto omby avy any ivelany ireto, saingy aiza anefa izany ankehitriny ? Avy amin’ireto omby nafarana ireto tokoa ve no nahatonga izao aretin’omby niparitaka avy ao Andranomanelatra Antsirabe izao ?
Nicole Rafalimananjara
