Espagne : Mikaroka ny niavian’i Christophe Colomb
Mpikaroka maro ao Espagne no manatanteraka fikarohana amin’ny taolambalon’ilay tantsambo tamin’ny taonjato faha 15, Christophe Colomb. Tanjona amin’izany ny hamaritana tokoa raha teraka tany Gênes any Italie izy. Mpahay tantara maromao no nilaza fa teraka ny taona 1451 tany Gênes ity tantsambo ity kanefa ny sasany nilaza fa teraka tany Espagne izy, ny hafa aza nilaza fa tany Portugal. Mba tena hamatarana ny toerana nahaterahany marina no nanaovana izao fikarohana izao izay tarihan’ny Profesora José Carlos, mpahay anthropologie physique any amin’ny Oniversite Grenade. Ny taolambalony no hanaovana ny fandinihana avy amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknôlojia avo lenta hoy ity Profesora ity, omban’ny fanampian’ireo toeram-pikarohana maro maneran-tany. Haharitra am-bolana maro ity fikarohana ato ao amin’ny Oniversite Grenade any Espagne ity ary vinavinaina hivoaka ny volana oktobra izao ny valiny.
