Comores : Mangataka ny fanamelohana ho faty amin’ny heloka famonoana olona ny vahoaka
Taorian’ny tranga famonoan’olona nisesisesy isanandro tamin’ny taona lasa tany Comores, mangataka ny fanamelohana ho faty izay tratra mamono olona ny vahoaka any an-toerana ankehitriny. Tao anatin’ny dimy taona izay, tsy nitsaha-nitombo ny vono olona tany amin’ny nosy. Nitrangana famonoan’olona indro na intelo be izao isakin’ny herinandro ary tsy mbola nisy toy izany aza manerana ny nosy rehetra. Manao antsom-panairana araka izany ny vahoaka ny mba hampiaharana ny fanamelohana ho faty ireo mpamono olona indrindra ihany koa ho an’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona izay nahazo vahana tato ho ato. Tiako ho hita eo amin’ny tany ny lohan’ireo mpamono olona sy mpanolana izay manapatra ny heriny amin’ny zaza tsy ampy taona, hoy i Toiouilu Ahamada, mpanolo-tsainan’ny kaominina Oichili, . Ny filoham-panjakana sy ny tompon’andraikitra amin’ny fahefana mpanao lalàna no tompon’ny fanapahan-kevitra farany.
