Maurice : Niakatra fitsarana i Yogida Sawmynaden amin’ny resaka fanararaotam-pahefana
Nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny mpitsara Kevin Rengasamy ilay vehivavy mpitondra tena iray, Simla Kisten, mikasika ny fanararaotam-pahefana nataon’i Yogida Sawmynaden izay minisitra teo aloha. Androany no hanatanterahana izany ao amin’ny tribonaly Port-Louis any Maurice. Mifototra manaraka ny lalàna ity fitoriana nataon’i Simla Kisten ity hoy Me Sanjay Bhuckory. Inona no mety ho fanapahan-kevitry ny fampanoavana manoloana izao tranga izao ? Afaka mamoaka ny didy mikasika ny raharaha ny Tribonaly ao amin’ny distrikan’i Port-Louis saingy mialohan’ny hamoahana ny didim-pitsarana dia mila ny fiarovan-tanan’ity Ministra teo aloha ity na avy amin’ny manam-pahefana hafa.
