Ambalavao: 18 ireo namoy ny ainy, mila fanampiana maika ireo tra-boina
Nahatratra 18 ieo namoy ny ainy tao Ambalavao nandritran’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Nahitana ankizy 3 mirahalahy nodimandry tao Tananirery Kaominina Ambohimandroso. « Tena nandripaka teto Ambalavao ny rivo-doza. Betsaka ireo tra-boina sy rava trano teto Ambalavao. Tsy vitsy ny namoy ny ainy. Miantso ireo malala-tanana izahay. Ny fanampiana ara-tsosialy no tena ilaina noho ny fahabetsahan’ireo tra-boina » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. “Kaominina 14 anatin’ny 19 ato amin’ny Distrika Ambalavao no tapaka ny fivezivezena noho ny fiakaran’ny rano sy fahasimban’ny tetezana. Olona 18 no maty, 5 no naratra. Omby 10 kosa maty. Fambolena sy fiompiona maro rava” hoy ny tatitra nataon’ny BNGRC. Manao antso avo ireo mponina any an-toerana amin’ny fanampiana azy ireo. Tsy vitsy ihany koa ireo tetezana sy lalana tapaka izay mampitsahatra ny fivezivezena. Ny lakana mandeha moteur no tena ilain’izy ireo maika amin’izao.
