Ankadikely Ilafy : Efa hifarana ny fandoavan-ketra
Ny 15 desambra 2021 izao no mifarana ny fandoavan-ketra ao Kaominina Ankadikely Ilafy. Manentana ny rehetra noho izany izy ireo mba hanefa izany ao amin’ny kaominina. « Ilaina eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny rehetra ka raha tsy mazoto mandoa hetra ny vahoaka dia mikatso ny fampandrosoana isan-karazany ary voatery isika hisambo-bola any ivelany ka hibaby trosa ho an’ireo taranaka any aoriana » hoy Emilien, tompon’andraikitra ao an-toerana.
« Tsy misy ny sazy ho an’ireo tsy mahaloa saingy tsy misy ny fandrosoana ka hitondra takaitra noho izany ny rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. « Ilay tanàna kosa aloha tena tsy misy fandrosoana mihitsy e. Ety Ambohibe Ilafy zao manjaka ny dahalo, tokony efa mba hisy poste avancé, tsy misy fitoeram-pako nefa efa tanana be, lalana moa izany dia tena ratsy, kanefa ny hetra aloa ihany » hoy i Toky, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Raha mazoto mandoa hetra tokoa ny vahoaka kanefa misedra olana ny eo amin’ny fitantanana izany dia mikatso foana ny fampandrosoana. Mifameno ny rehetra noho izany amin’ity resaka fampandrosoana ity ka tokony hiara-hientana.
Nicole Rafalimananjara
