ActualitésTsidika

Faritra Analamanga : Tanora miisa 49 no hisitraka ny tetikasa « Titre Vert »

Volana vitsy izay no nandefa antso ny Ministeran’ny fambolena  sy ny fiompiana ka nilaza fa tanora mpanadraharaha miisa 150 no hisitraka  ny tetikasa «  Titre vert » amin’ity taona ity. Tanora mpandraharaha 49 isa hatreto no efa voaray hisitraka ny tetikasa.

Raha ny voalaza ny tetikasa « Titre vert » dia mikendry indrindra ny hanena ny tahan’ny tsy fanana asan’ny tanora eto Madagasikara. Ao anatin’ity tetikasa ity dia manosika ireo tanora mpisitraka ny tetikasa ny ministera mba  ho tena mpandraharaha ka ifantoka   amin’ny  ny famokarana sy fanodinana ary   ny famarotana ny vokatr’izy ireo.

« vahaolana maharitra no atolotra ireo tanora amin’ity tetikasa ity mba tsy ho asa mandalo fotsiny ihany no omena azy ireo. Miasa amin’ny sehatra izay manavanana azy ireo izy ireo ary ny tetikasany ihany no hiasany . Ankoatr’izay dia volavolaina ho tonga mpandraharaha izy ireo mba ahafahany mivoatra ary ihany koa mampivoatra ny manodidina azy. Raha mandeha araka ny tokony ho izy  ny tetikasan’ny tsirairay dia afaka manolotra asa ho an’ny  tanora hafa ireo tanora nisitraka ny tetikasa “Titre vert” ireo” hoy ny teknisianina avy ao amin’ny Ministeran’ny  fambolena sy fiompiana .

Lalana iray ity tetikasa ity ahafahan’ny tanora manana tetikasa kanefa tsy afaka manatanteraka nohon’ny sakana maro samihafa . “Anisan’nyy olana iray lehibe ho an’I Madagasikara ny fahabetsahan’ny tanora tsy an’asa. Raha ny amiko dia tokony aparitaka ity tetikasa “Titre vert” ity mba ahafan’ireo tanoran-tsika manatanteraka ny tetikasany avy. Manana tanora manam-pahaizana sy manan-kevitra an’arivony maro i Madagasikara fa ny fanohanana no tsy ampy ka mahatonga azy ireny takona ao ambadikin’ ny tsy fananan’asa toy izao.” hoy ny fanehoan-kevitr’ity mpandinika fiaraha-monina iray.

Marihina fa ity tetikasa ity dia natokana ho an’ny tanora 18 ka hatramn’ny 40 taona izay mandraharaha amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire