Ambohimangakely : Nitrangana lozam-pifamoivoizana, lehilahy iray naratra mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, teo amin’ny tetezana, ny alin’ny talata teo. Kodiaran-droa iray no nifatratra tany anaty fiara tsimataho-dalana, raha ny voalaza. Naratra mafy kosa ny iray tamin’ireo nandeha kodiaran-droa.
« Betsaka loatra izay lozam-pifamoizana teto Ambohimangakely izay, raha ho an’ity taona ity. Tsy hay na vokatry ny tsy fitandremana ve no tsy ampy sa ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra fa tato ho ato izao nisehoan’izay foana » hoy i Tefy, mponina ao Ambohimangakely.
« Ny angatahina amin’ny tomponandraikitra dia ny fametrahana lalàna indray sy fanaraha-maso eny amin’ny lalana rehetra satria nihamaro ny lozam-pifamoivoizana nitranga tato ho ato tety an-toerana. Eo ihany koa ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo tratra tsy manara-dalàna » hoy i Jacquis, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Marihina moa, fa tsy tena tompon’ilay kodiaran-droa ireo roalahy niharan-doza ireto, araka ny voalaza hatrany. Efa nahazo fitsaboana ara-potoana teny amin’ny hopitaly kosa izy ireo.
Manitra R.
