Maurice : Nihena 6,7% ny tahan’ny tsy fananan’asa nandritra ny telo volana voalohany
Nihena ny tahan’ny tsy fananan’asa tao amin’ny nosy Maurice nandritra ny telo volana voalohan’ity taona 2023. Nihena 6,7% izany raha ny voaraikitra tao amin’ny tatitra farany navoakan’ny Statistics Mauritius. Raha tsiahivina dia nahatratra 8,7% ny fihenan’izany tao anatin’io vanim-potoana io tamin’ny taona 2022.
Raha ny andinindinin’ny tatitra kosa dia misy 551 800 isa ny isan’ny mpiasa ao amin’ny nosy Maurice. 39 400 kosa ireo tsy manan’asa. Ny 53% na 20 700 isa amin’ireo dia tsy manana SC na « Cambridge School Certificate » ary ny 3 700 isa kosa dia manana PSAC na Primary School Achievement Certificate sy CPE na Certificate of Primary School. Ny 55 % amin’ireo tsy manan’asa ireo kosa dia mbola tsy manambady avokoa.
