France : Tokony tsy maintsy manao vaksiny avokoa ny olona
Ny vaksiny no vahaolana voalohany hivoahana ao anatin’izao krizy izao hoy i Michel Barnier izay mpanelanelana taloha tamin’ny Brexit. Tokony tsy maintsy manao vaksiny araka izany olon-drehetra raha ny soson-keviny. Manomboka miparitaka ao France ihany koa manko ny variant Delta izay mahatonga ny ahiahy ny amin’ny mety hidirana ao amin’ny andiany fahefatra amin’ny Covid-19 any France. Ny alahady 11 jolay teo no nanambarany izany. Hatramin’izao anefa, ny mpiasan’ny fahasalamana ihany aloh ahatreto izay mifandray mivantana amin’ny marary no tena tsy maintsy manao vaksiny. Nanagtaka tamin’i Emmanuel Macron araka izany I Michel Barnier ny mba hametrahana ny baiko ny vahoaka ny tsy maintsy haanaovana vaksiny.
