SSMAF 2023: Mametraka lanja ny kolontsaina Malagasy
Manome lanja ny kolontsaina Malagasy ny hetsika SSMAF. Amin’ny alalan’ireo lalao fifaninana maro ho hita mandritra ny SSMAF, dia hisongadina kokoa ny asa tanana, ataon’ireo tanora mpanatalenta, amin’ny fakana na fanaovana sary, araka ny voalaza.
“Ao anatn’ilay concours photo; dia hasongadina manokana ary omena lanja amin’ny alalan’ny sary ny kanto sy ny kolontsaina Malagasy. Izay resaka sary izay no hifaninana’ireo mpanatalenta ary hanentanana sy hanasana ireo tia maka sary haneho izany” hoy ireo mpikarakara ny hetsika SSMAF.
“Ny tanjona amin’ity fifaninana ity moa dia ny mba hahafahan’ireo mpanatalenta mitrandraka ny fahaiza-manaony hatrany. Fa indrindra afahana maneho izany ho hitan’ny be sy ny maro satria ho atao an-jotra ny fifaninana ka afaka handray anjara amin’ny fisafidianana izay sary tsara indrindra ny mpikirakira tambajotra facebook” hoy hatrany ny fanazavana.
Hanomboka ny 23 jolay moa ity fifaninana ity. Ny fitsipi-dalao ao anatin’izay moa dia ny fakana sary mametraka ny lanjan’ny kolontsaina Malagasy, manaparitaka izany ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook, ao amin’ny pejin’ny BTC ka izay mahazo j’aime be indrindra no mpandresy.
Manitra R.
