Dépêches

Toe-karena : Afaka ho ampiasain’ny Malagasy tsy ankanavaka ireo hazo nogiazana noho ny fanondranana antsokosoko

Dépêche 28 novembre, 15h, Mbola maro hatrany ireo olona tratra manondrana antsokosoko hazo sarobidy sy harovana toy ny palissandre. Nandritra ny fivoriana faha19 izay notanterahina tetsy amin’ny Panama mahakasika ny fiarovana ny biby sy ny zava-maniry any anaty ala arovana dia nivoitra nandritra izany ny tokony hanaovana ireo hazo nogiazana. Tapaky ny Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d’extinction CITES nandritra izany fa ho haparitaka izy ireny ho ampiasain’ny Malagasy tsy ankanavaka amin’ny asan’izy ireo. Manoloana izany anefa dia miandry ny fanapahan-kevitry ny sehatra hafa mahakasika izany.  

R

Laisser un commentaire