CAN2023 : Azo arahina amin’ny TVM
31 May, 09h00. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy baolina kitra sy ho fanohanana ny ekipam-pirenentsika dia novidian’ny fitondram-panjakana ny zo ahafahana manaraka mivantana ny lalao ataon’ny Barea amin’ny fifanintsanana CAN2023 ao amin’ny TVM. Rahampitso Alarobia ny lalao voalohany amin’izany ary andeha amin’ny 10 ora ao amin’ny fahitalavitra.
