Dépêches

Avaratra : Omby 100 mahery no vita tsindrona sy nomena otrikaina

25 Febroary, 10h30. Omby 100 mahery no vita tsindrona sy nomena otrikaina maimaimpoana tao Anivorano Avaratra, distrikan’Antsiranana II omaly manoloana ny aretim-pivalanana nahazo ny omby. Nitondra ny fanafody, tohana avy amin’ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana Dr Raymond. tany an-toerana ny solombavam-bahoaka sy ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana. Sambany tao an-toerana kosa ny fisian’io aretim-pivalanan’ny omby io.

Laisser un commentaire