Kolontsaina: Hanatanteraka fampisehoana amin’izao fandalovany eto an-tanindrazana izao i Rakoto
Dépêche 12 octobre, 12h30, Rakoto, izay mpihira tany amin’ny taona 90 taona tany izay fantatry ny maro amin’ilay hira hoe “o ry zandry” iny. Io hira io ihany koa no nampisongadina azy teo amin’ny sehatra ka nampalaza azy mandrake izao. Fampisehoana intelo miantaona no hatolony ho an’ny mpankafy ny 21 sy 22 oktobra izao. Ny voalohany dia ao amin’ny “La Teinturerie Ampasanimalo” izay harahin’ny ao amin’ny “Le Garage Antsahavola” ary ny 22 oktobra kosa dia ho hita aoa min’ny “Bambo Lodge “izy. Maimaim-poana avokoa ireo hetsika telo ireo hahafahan’ny rehetra mianoka ny kanton’i Rakoto.
