Tafatsoaka ny dahalo ary navelany ny omby
28 Oktobra, 09h00. Omby miisa 7 tao Ankisiramena fokontany Tsaramiakatra Kaominina Anjoma Ramartina no nalain’ny dahalo nanaovany « tampim-baravarana » ny alin’ny 26 hifoha 27 oktobra 2021 teo. Nampandre haingana ny zandary ny tompon’omby ary dia raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia. Tratran’ny fokonolona sy ny Zandary teo Kiranokely Kaominina Bemahatazana Distrikan’i Tsiroanomandidy faritra Bongolava ireo jiolahy ka vaky nandositra raha navelany kosa ny omby.
