Toamasina: Tsy maintsy tohizana ny fanatanterahana ny projet PACT
Tsy maintsy hirosoana ny fanatanterahana ny projet PACT, izay tetikasa fanoloana andrin-jiro 800 ao amin’ny kaominina renivohitr’i Toamasina, na dia misedra olana aza ny fanatanterahana izany, indrindra eo amin’ireo orinasa Cogelec sy ny Jirama izay manatanteraka ny asa. Hatramin’ny volana Aogositra nanombohan’ny tetikasa dia mbola vitsy ny andrin-jiro voapetaka; ny 20 Desambra 2023 kosa anefa no mifanarana izany tetikasa izany ka izay andrin-jiro tsy voasolo ao anatin’izany fe-potoana izany dia tsy vita.
