Taom-piarana 2023-2024: Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe
Ny 12 septambra teo no nanatanterahana ny lanona fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, tao Antsirabe. Tonga nitarika izany tao an-toerana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara. « Fanabeazana ho an’ny rehetra sy tsara kalitao, antoky ny fampandrosoana ny firenena » io no lohahevitra nentina nanamarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024 teto Madagasikara ity.
