Morondava: Nahitana taolam-paty tamin’ny gony
16 Desambra, 09h00. Taolam-paty marobe tamin’ny gony no nisy nametraka teny amin’ny vavaranon’i Betania ny alarobia 15 desambra 2021 maraina. Tonga nijery ny zava-nitranga ireo tompon’andraikira isan-tsokajiny any an-toerana. Ny kaominina no nitazona ireo taolam-paty ireto.
