Notsaboina ao amin’ny CHU Tambohobe i Kamavo, ilay zazavavy tratry ny herisetra
16 Desambra, 10h00. Tonga ao Fianarantsoa, ao amin’ny CHU Tambohobe i Kamavo ilay zazavavy 10 taona niharan’ny herisetra avy any Betroka. Efa nahazo ny « premier soins » tao amin’ny Service Ophtalmologie izy Ary nandray an-tànana azy ny ekipa ao amin’ny Service Maxillo-faciale. I Kamavo dia ilay zazavavikely varira nisy nanala ny masony.
