ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy: Handray anjara amin’ny “foire Analamanga 2023” ny kaominina

Hanomboka rahampitso 15 septambra 2023 ny hetsika tsenaben’Analamanga (Foire Analamanga 2023) izay karakarain’ny faritra Analamanga. Anisan’ny handray anjara feno ao anatin’izany ny kaominina Ankadikely Ilafy, araka ny voalaza.

“Hetsika fampirantina, izay hanasongadianana ny vokatry ny tantsaha, indrindra ny seha-pivelomana fototra, dia ny fambolena sy ny fiompiana ity tsenaben’Analamanaga ity. Miara-mientana amin’ny fanatontosana izany avokoa ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, manomboka any amin’ny ministera misahana ny fambolena, ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny varotra ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Anisan’ny tena ilaina ny hetsika tahaka izao mba hanomezana vahana ny vokatry ny tantsaha, indrindra ny fambolena sy ny fiompiana. Fotoana azo hitrandrahana fidiram-bola vaovao sy fanavaozana ny seha-pamokarana ihany koa izy io ka hanasana ny rehetra ho avy” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny 15-16-17 Septambra 2023 moa no hanatanterahina ny « Foire Analamanga 2023 », andiany voalohany, eny amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Hanasana ny rehetra araka izany ho avy, hitsidika ny hetsika satria mahakasika sehatra maro isan-karazany ireo varotra fampiratiana ho hita mandritra izany. Marihina fa tsy misy vidim-pidirana ny hetsika.

Manitra R.

Laisser un commentaire