Dépêches

Antananarivo Renivohitra : Nisy jiolahy nanakana ny mpiasan’ny kaominina

19 Janoary, 12h00. Jiolahy enin-dahy no nanambana basy ny saofera sy ny ekipa niasa nanangona fako an’ny S.M.A na Société Municipale d’Assainissement. Jiolahy 3 niditra teo aloha ary ny 3 tao aoriana. Nambanany sy notereny ny mpamily hitondra azy ireo eny Manjakaray. Kofona tsy afa-nihetsika ny fiara rehefa nanoloana ny CETA teo Andravoahangy, noho ny orana. Afaka nanavotra aina ny mpamily sy ny ekipa.

Laisser un commentaire