Dépêches

BNGRC : Akon’ny rivo-doza

25 Febroary, 11h00. Raha ny angona farany nataon’ny BNGRC ny 24 febroary tamin’ny 6 ora hariva teo dia tafiakatra 51 308 ny olona tra-boina izay mitsinjara amin’ny tokantrano miisa 11 078. Olona 45 196 na tokantrano 10 258 no nafindra amin’ny toerana fandraisana an-tanana traboina vonjimaika miisa 129 amin’ireo faritra 12, Amoron’i mania, Androy, Anosy, Atsimo andrefana, Atsimo atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra ambony, Sofia, Vakinankaratra sy Vatovavy.

2 398  no isan’ny toeram-ponenana rava tanteraka, 6 319 no isan’ny toeram-ponenana nahitana fahasimbana, ary 3 964 no isan’ny toeram-ponenanadibo-drano. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana kosa dia 1 508 no isan’ny efi-trano fianarana rava tanteraka, 162 ny efitra fianarana simba amin’ny ampahany, ary 315 ny efi-trano rava tafo. Eo amin’ny foto-drafitr’asa dia toerana 16 no voakasiky ny fahatapahan-dalana amin’ny lalam-pirenena, ary tetezana iray no tapaka.

Laisser un commentaire