SocialTsidika

Fitiliana Covid-19 : Tokony hiandry ny valiny any an-trano

Anisan’ny manao ny fitiliana ny coronavirus ny etsy amin’ny hopitaly HJRA sy ny Tanana Voara Andohatapenaka. Filaharam-be avokoa anefa ireo toerana ireo ankehitriny. Ny fanaovana fitiliana anefa tsy maintsy atao laharam-pamehana mba hahafahana mamantatra ny olona mitondra na tsia ny tsimokaretina. Isika rahateo manomboka miditra ao amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina izay mahabe tokoa ny aretina; misy amin’ny olona efa manana soritr’aretina no tsy manantona toeram-pitiliana intsony fa mitsabo avy hatrany ny fahasalamana. Saika ahitana olona mitandahatra sy mivezivezy avokoa mantsy ankehitriny eny amin’ireo toeram-pitsaboana maro samihafa ireny. Anisan’ny singa iray mampihanaka be loatra ny valan’aretina anefa izany. Misy amin’izy ireo no efa manana soritr’aretina sy efa mitondra izany anefa mbola mifamezivezy etsy sy eroa. Raha ny tokony ho izy anefa, tokony hijanona any antrano avokoa ireo miandry valim-pitiliana rehetra na ho miabo izany na ho miiba. Ankoatran’ny toerana fanaovam-pitiliana mantsy, maro ireo mitandahatra maka ny valin’ny fitiliana eny amin’ny sampana miandraikitra ny areti-mifindra na ny DVSSER. Milaza anefa ireo mpilahatra ireo fa mivezivezy izy ireo satria alefan’ny mpanao fitiliana mankany amin’ity ivon-toerana ity. Nilaza kosa anefa ny teo anivon’ity sampana ity fa miankina amin’ny toeram-pikarohana ihany no fotoana hahazoan’izy ireo ny valin’izany, ary any amin’ireo toerana nanaovana fitiliana no hakana izany. Ny fanentanana anefa etsy ankilany milaza fa tokony hiandry ny valin’ny fitiliana any an-trano ny olona iray. Mbola manjavozavo amin’ny rehetra araka izany ny tena tokony hataon’ny olona. Vokatra azo avy amin’io fivezivezena io anefa ny fiparitahan’ny aretina indray. Tsara kokoa araka izany raha misy ny fifandaminana sy fampahafantarana ny olona amin’ny tena hiandrasana ny valim-pitiliana.

 Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire