SocialTsidika

CEMDELAC Analakely : Toerana vaovao ho an’ny zavakanto sy ny kolotsaina

Ao anatin’ny programan’asa ny minisiteran’ny serasera sy ny kolotsaina ny fanavaozana ireo toerana ara-kolotsaina isan-karazany. Manana ny lanjany tokoa mantsy ny kolotsaina sy ny zava-kanto satria sehatra iray natao hialana voly sy hanomezana ny soa sy ny tsara indrindra avy amin’ireo mpiangaly azy. Tsikaritra fa manomboka manarina ireny toerana sy vakoka ara-kolotsaina ireny ny minisitera ankehitriny. Tanjon’izy ireo amin’izany ny hanariana indray io sehatra kolontsaina io izay tsy dia nisongadina tanteraka nandritran’ny taona maro. Toerana maro araka izany no eo andalam-panorenana sy efa vita ankehitriny. Raha tsy hilaza fotsiny ny rovan’ny Manjakamiadana, fanavaozana ny tranomboky any amin’ireo faritra hafa, sy ny maro hafa efa vitan’izy ireo ankehitriny. Ansian’ny navaozina ihany koa ny etsy amin’ny Cemdelac (Centre Malgache pour le Développement de la Lecture Publique et l’Animation Culturelle) Analakely, izay efa ratsa-mangaikan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolotsaina rahateo. Marihana fa efa an-taonany maro no tsy nisy ny fanamboarana ity toerana ity. Noho izany indrindra no nahatonga ny minisitera hanavao azy mba hitondrana zava-baovao ho an’ny zavakanto sy ny kolotsaina. Zava-baovao hita ao amin’io toerana ion y sehatra roa lehibe ho azo hanaovana fampisehoana sy fampirantiana. Ny mpisehatra ara kolotsaina am-bava, toy ny tantara an-tsehatra sy ny tonokalo ary ny poezia izy ity toerana ity. Mahazaka olona hatrany amin’ny 200 isa ity toerana ity. Hisongadina ao araka izany ireo seho samihafa manamarika ny kolotsaina Malagasy.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire