ActualitésTsidika

Lozam-pifamoivoizana : Nisehoana tranga lozam-pifamoivoizana foana ny RN4 sy ny RN7

Mateti-pitranga mihitsy izany loza miseho eny amin’ny lalam-pirenena izany tato ho ato. Ahitana rà latsaka sy fahafatesana foana ny ankamaroan’izy ireny.

Nisy fifandonana teo amina fiara tsy matahodalana sy “camion” indray tamin’iny lalampirenena faha4 iny. Samy nahitana fahasimbana moa ireto fiara ireto ary olona 2 maty no maty vokatr’izany. Ireo naratra kosa avy hatrany dia nalefa tany amin’ny tobim-pahasalamana. Mitovy amin’izany ihany koa ny teny amin’ny lalam-pirenena faha7 ka olona miisa 2 ihany koa no maty vokatr’izany, niaraka tamin’ny olona naratra maromaro izay nentina tany amin’ny hopitaly.

« Anisan’ny fiarovana ny aina voalohany indrindra ny fanarahana ny lalàna napetraka mahakasika ny fifamoivoizana, ny tsy fanajàna izany anefa dia anisan’ny antony iray mahatonga fahafatesana tsy ampoizina » hoy ny mpitandro filaminana hentitra tamin’ny filazany. « Matoa ny olona iray mamily dia tokony mahafantatra code de la route izy dia mitandrina sy mailo fa ny tsy fitandremana no hamoizana aina », hoy kosa i Rémi, raim-pianakaviana nanatrika ny zava-niseho. Nanazava sy nitondra fanampim-pahalalana mahakasika ny tokony hatao ny tompon’andraikitra ao amin’ny ATT : « misy ny fanaraha-maso ireo fiara izay tanterahan’ny ATT, mila mitandrina hatrany anefa ny tsirairay, mila entina araha-maso matetika izany fiara izany, indrindra rehefa handeha alavitra fa matetika dia ny tsy fitandremana foana no miteraka ny loza ».

Tsy mampilaza ny loza fa ny mpmpiasa lalana no mila mandray fepetra sy manaraka ny lalàna rah ate hiarao tena. Hampiana ihany koa ireo fanentanana ho an’ireo mpampiasa lalana hampihenana ny loza mety hiseho.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire