ActualitésTsidika

By-pass : Toeram-pisakafoana vaovao

Efa manomboka mipatitaka manerana an’i Madagasikara ny trano fisakafoana Extra-Pizza. Nisokatra ny 7 Martsa teo indray ny teny By-pass. « Efa tsy andry mihitsy izay nisokafany. Miavaka ny sakafo amin’ity trano fisakafoana ity » hoy i Ando, mponina ao Alasora. « Efa azon’ny rehetra tsidihana ny Extra-Pizza eto By-pass eto ampitan’ny Espace Yandy By-pass. Tsy miova fa tahaka ny nahafantaran’ny rehetra azy ihany izahay » hoy ny tompon’andraikitra. Nanomboka tamin’ny 1 Ora tolakandro no nisokafany. Tsy vitsy ireo Tonga nitsidika nandritra ny fisokafany.

Laisser un commentaire