Japon : Hifarana ny boky « One Peace »
Nanao fanambarana i Eiichiro Oda, mpanoratra ny Manga « One Peace », fa hanomana ny faran’ny sarimiaina izy manomboka ny faran’ny volana izao. Fahombiazana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity sarimiaina nosoratin’ity mpanoratra 47 taona monja ity.
Tany amin’ny taona 1997 no nivoaka boky voalohan’ny « One Peace » (tome 1). Efa mahatratra boky 102 sy toko an’arivony izany amin’izao fotoana. « Exemplaire » an’ny boky 490 tapitrisa kosa no lafony nanditra izany fotoana izany. Mametraka an’i Eiichiro Oda eo amin’ny toeran’ny mpanoratra nahalafo boky betsaka indrindra ao amin’ny « Guinness World Record » izany.
