ActualitésTsidika

Ho hampahafantarina ireo vahoaka ny lalàna mifehy ny fitanam-bola

Mikarakara hetsika fampahafantarana sy fampandraisana anjara ireo tanora sy ny olom-pirenena rehetra manoloana ny fampiasam-bolam-panjakana ny eo amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny fitatanam-bola. Toy izay efa natao tany amin’ny faritra hafa, anjaran’ireo tanora eto am-povoantany indray izao.

Hotanterahina ny 21 oktobra ho avy izao ao amin’ny katedralin’ny oniversite Ankatso Antananarivo, ka hanomboka amin’ny iray ora sy sasany.  Raha tsihahivina, anisan’ireo faritra efa nahavita izany ny faritry ny oniveriten’ny Toamasina sy Toliara. Hetsika izay tsy hifarana raha tsy voatety avokoa ny faritra telo amby roapolo manerana ny nosy.

Anatin’ireo lahadinika mandritra izany nireo dingana lehine amin’ny fizotry ny tetibola, tombana mahakasika ny zava-bita manoloana ny fampiroboroboana ny fangaraharan’ny teti-bola sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena rehetra. « Zo feno hananan’ny olom-pirenene ny hahafanatatra ny fifamezivezen’ny olona ao amin’ny fireneny, izany hoe ny vola miditra sy ny fandaniam-bola. Ny vahoaka no atoa hoe fanjakana fa tsy ny Filoha, na ireo mpanao polotika akory » hoy i Anjara, mpianatra. « Inoana fa hitondra filaminana sy fitoniana ho an’ny vahoaka, indrinra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny antoko mpanohitra izao fanazavan’ny mpahay toe-karena manoloana ny fitatanam-bolam-panjakana izao » hoy i Toky, tompon’andraikitra sady mpikarakara ny hetsika.

« Mampiseho ny maha fanjakana demokratika ny fampanjakana ny fangaraharam-pitantanana, indrindra eo amin’ny lafiny fitatanam-bola. Manampy betsaka ny fanazavana azo tany amin’ireo mpanabe ny fisian’izao fampahafantarana izao » hoy i Mino, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. « Tsy miova sady tsy mivadika amin’ny teny nomeko ny vahoaka Malagasy aho, hiasa mahitsy sy marina amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izany no anton’izao fampahafantarana isam-paritra izao » hoy i Hasimbelo Rabarinirinaharison, Minisitry nyftoe-karena sy ny fitanam-bola.

Manampy amin’ny famaritana ny fandaniam-bola sy ny vola miditra eo amin’ny fanjakana ny fisian’ny lalàna mifehy ny fitatam-bola. Eo ihany koa ny fandrindrana ny fepetra mifandanja amin’ny teti-bola sy ara-bola, manapa-kevitra amin’ny tetibolam-panjakana ary manao tatitra mahakasika ny fanatanterahaa izany. Manana anjara andraikitra lehibe manoloana ny filaminan’ny fanjakana sy ny fampandrosoana noho izany ny fampahafantarana ny volam-panjakana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire