Andrasana ny fanendrena loholona misolo an’i Imbiky Herilaza
Miandry fanapahan-kevitra avy amin’ny Filoham-pirenena ny fanendrena izay mety ho solon’ny lohona Imbiky Herilaza izay voatendry ho Minisitry ny fitsarana ny volana aogositra lasa teo. Hanomboka afaka herin’andro vitsy ny fivoriana faharoa ao amin’ny antenimieran-doholona, hisy vokatr’izany faritra tsy hanana solotena ka hahihana hampitanila ny fampandrosoana.
Etsy ankilany, mbola tsy nanendry izay filoha lefitra fahafito hataramin’izao ny avy eo amin’ny antoko mpanohitra. Fanoherana izay tsy mivaona amin’ny andrakitry ny loholona, ho fanajana ireo sata mifehy ny antenimieran-doholona manoloana ny fanoherana. « Misy akony lehibe amin’ny fampandrosoana ny faritra izany fahabangana ao antin’ny rao volana izany. Maro ny zavatra tokony efa vita anatin’izany saingy nikatso noho ny fanoloana ireo mpikambana tao amin’ny Governemanata » hoy i Valisoa, mpianatra taona fahatelo mahakasika ny lalàna. « Anjaran’ny Filoham-pirenena ny manendry ny olona ambony toy ireny, inoana ho mety anton’izao fitarazoan’ny fanendrena izao ny mbola fisafidian’ny Filoha izay olona afaka hiara-hiasa aminy amin’ny fampandrosoana ny firenena » hoy i Rasamoelina Raharinarivo, mpandinika raharaha polotika. « Tsy maintsy vitaina mialohan’ny hanatanterahina ny fivorian’ny loholona ny fanendrena sy famenoana ny toerana banga eo amin’ny antenieram-pirenena ho fanajana ny lalam-panorenena izay mifehy izany asa izany. Raha ny mifanhitra amin’izay ny zava-misy dia tsy maintsy hahemotra ny fivoriana » hoy ny iray tamin’ireo loholona.
Misolo tena ireo vondron’olona avy any amin’ny faritra nahalany azy ny andraikitra lehiba sahanin’ny Loholona. Tafiditra anaty vinan’ny fampandrosoana nataon’ny Filoham-pirenena ny ezaka atao hanarenana ny toe-karena isam-paritra. Fandrosoan’ny isam-paritra noho izany no hahafahana mamaritra ny fandrosoana misy eo amin’ny firenena iray. Eo ihany koa ny fiaraha-mientan’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry, tsy misy antony tokony tsy hahatrana ny fampandrosoana raha toa ka milanolo-tanana sy miara mibanjina izany ny rehetra.
Haingotiana Andriamihaja
