Anosy avaratra : Zokiolona miisa 200 no nahazo panier garnie lehibe
Zokiolona miisa 200 no nahazo panier garnie lehibe, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona teo, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Nahitana vary, menaka, siramamy ary tsaramaso maina izany, araka ny voalaza.
“Tahaka ny hetsika izay efa fanaon’ny kaominina isan-taona dia manolotra fanomezana ho an’ireo zokiolona ny kaominina rehefa faran’ny taona. Izany no tontosa dia teo ny fiaraha-miasa tamin’ireo fikambanana samihafa, izay nanolotra maimaim-poana ny fanomezana , dia ny ONG Direct Aid, izay mifantoka indrindra amin’ny fanaovana asa sosialy” hoy ireo avy amin’ny kaominina.
“Faly tokoa izahay zokiolona amin’ny fanomezana tahaka izao. hisaorana ny ben’ny tanàna, nanolotra izany satria tena zava-dehibe tokoa izany amin’ny fahasahiranana tahaka izao, mahavonjy ary afaka manao fety ampifaliana ny zokiolona” hoy i Louis, zokiolona.
Zava-dehibe ny fifanohanana, indrindra fa ho an’ireo olona marefo. Manana andraikitra tokoa ny kaominina amin’ny fampisitrahana fanampiana azy ireny satria manana anjara toerana lehibe eny ifotony ny zokiolona.
