ActualitésTatitra

France : Nanafoana ny trosa amin’i Soudan

Nanao fanambarana omaly alatsianiny 17 may ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, mikasika ny fanafoanana ny trosan’izy ireo any amin’ny Soudan izay mitentina 5 Miliara Dolara na 4,1 Miliara Euro (18 800 000 000 000 Ariary). Izany no natao mba hanampiana ity firenena afrikanina ity hanaraka ny fironan-kevitra demokratika sy hialàny amin’ny kriza ara-toe-karena. Nofoanana avokoa izany trosa izany ka tsy nisy tavela na kely aza fa nafoy madiodio ho an’ny firenena Soudan hoy hatrany i Emmanuel Macron. Mbola nampindrana vola mitentina 1,5 Miliara Dolara azy ny gouvernemanta ho an’ny firenena Khartoum mba hanampiana azy ireo amin’ny fanefana ny trosany any amin’ny FMI na Fonds Monétaire International. Ny Frantsay araka izany no isan’ireo firenena manohana an’i Soudan.

Laisser un commentaire