ActualitésTatitra

La Réunion : Nahitana tranga « variant réunionnais »

Nilaza ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversite La Réunion avy ao amin’ny sampana UMR Pimit CYROI ny alatsinainy 17 may lasa teo fa misy trangana variant réunionnais na « variant péi » ao amin’ny nosy. Nahitana tranga miisa 70 izany tany an-toerana izay omena anarana hoe B1622. Efa hitan’ny CYROI na Cyclotron Réunion Océan nanomboka ny Martsa ity variant ity hoy i Dr Partick Mavingui izay tompon’andraikitra ao amin’ny sampana UMR Pimit. Mitovitovy ny variant nivezivezy teto Afrika hatarmin’ny krizy ara-pahasalamana ity variant ity. Tsy dia atahorana mihoatra ireo variant hafa ity hita ity ary tsy dia mamono ihany koa hoy hatrany ireo mpikaroka. Kanefa mila mitandrina mandrakariva fa tsy hay izay mety ho fivoarany.

Laisser un commentaire