RMDM : Hanatanteraka fikaonan-doha hanorenana hatrany amin’ny fotony ny raharaham-pirenena
Mahita sy mahatsapa ireo avy ao amin’ny vondron’ny mpanohitra ny fitondrana fa misy ny zavatra mila havaozina sy hamboarina hahafahana mampandroso ny firenena. Nitady vahaolana amin’izany izy ireo ka hanatanteraka fikaonan-doha amin’ireo Malagasy rehetra manana vina hampandroso ny firenena. Miantso ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka izy ireo noho izany hanatrika io fikaonan-doha io. Horaisina avokoa ny hevitra izay haroson’ny tsirairay amin’izany.
« Asiam-panovana ny fitondrana ny firenena satria tsapa fa misy ny lesoka ary mila harenina izany hampandroso an’ny Madagasikara. Tsy asa kely izy io, ny anay ny tianay dia tsy asiana mpitondra intsony fa hiaraha-mitantana ny firenena mba hangarahara ny endrika fampandrosoana rehetra. Ny tanjona rahateo iray ihany ka tokony samy manao ny ezaka avy aminy ny tsirairay hahafahana manatratra izany tanjona izany », hoy i Alain Andriamiseza, Filoha lefitry ny RMDM.
« Ny raharaha politika eto Madagasikara dia tsy mety mampandroso mihitsy fa toa ohatran’ny mifanenjika fotsiny no hataon’ireo mpitondra ireo. Manaraka am-bokony fotsiny ny Malagasy avy eo ka miteraka tsy fahazoana ny hevitra sy ny zavatra tian’izy hampita ziany. Ny tiako lazaina dia hoe mila harenina hatrany amin’ny fotony ihany koa ny politika, izany hoe, ireo olom-pirenena rehetra mihitsy no homena fampiofanana na fampianarana mahakasika ny politika mba hahafahany mandray anjra amin’ny ady hevitra sy hahafahany miala amin’ny finoanoam-poana isan-karazany », hoy i Valisoa, mpianatra momba ny “sciences politique” eny amin’ny Anjerimanontolo.
Anatin’ny tany demokratika ny Malagasy, afaka maneho hevitra ireo izay manana ho lazaina, ireo izay miteny fa tsy mitondra fampandrosoana ary mety hiteraka korontana kosa dia tsy mahasoa ny firenena izany. Vahaolana iray ihany koa ny fampianarana ara-politika sy ny fampiofanana ara-pahaiza-miaina.
Miora Raharisolo
