Mali : mpanao gazety frantsay iray no nalaina an-keriny
Nilaza i Olivier Dubois, izay miasa ao amin’ny « Le Point Afrique » sy « Libération », fa eo am-pelatanan’ireo vondrona mpampihorohoro islamika « Al-Qaida » ny tenany ankehitriny, fa kosa mbola salama tsara hatreto. Tamin’ny horonantsary an-tamba-jotrantserasera no nandefasany hafatra ny alin’ny 4 hifoha 5 may teo, izay nangatahany vonjy tamin’ireo mpitondra Frantsay ho fanavotana azy. Efa herinandro maro izay no tsy nahitana azy tany Gao avaratr’i Mali raha nanomboka ny 8 aprily teo. Nahazo antso ny Reporters Sans Frontieres foibe roa andro taorian’izay saingy tsy noteneniny satria natahotra ny mety hahazo azy haingana izy ireo. Mangataka ny mpitandro filaminana Frantsay sy Malianina araka izany ny RSF mba hanao izay hamonjena ity mpanao gazety ity. Kapoka mafy amin’ny asa fanaovan-gazety izao, ary hita ho mahazo vahana hatrany ny fanafihana mitam-piadiana satria mihena ny fanaovan-gazety sy ny fampitam-baovao, indrindra taorian’ny namonoana ilay mpanao gazety roa avy any Espagne tany Burkina Faso, ary izao fakana an-keriny an’i Olivier izao indray. Midika izany fa sarotra ny mamoaka vaovao na mikaroka vaovao amin’ity toerana ity, hoy Arnaud Froger, lehiben’ny biraon’ny Reporters Sans Frontieres ao Afrika. Izao indray vao nisy fankana an-keriny Frantsay nanomboka tamin’ny volana oktobra teo, taorian’ny namotsorana an’i Sophie Pétronin.
