SocialTsidika

Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ireo mpamatsy vola.

Tetik’asa maro no efa vita tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Misitraka izany avokoa ny firenena andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Manana anjara toerana lehibe ny famatsiana vola satria mitondra fampandrosoana ho antsika izany. Raha ny hita, mitohy sy milamina hatrany ny fiara-miasa ho an’ireo mpamatsy vola sy ny firenena Malagasy. Hahazo famatsiam-bola indray avy amin’ny banky iraisam-pirenena isika ato ho ato. Mitentina 400 tapitr’isa ity vola ho azon’i Madagasikara ity .Tanjona ny hanorenana sy hikojakojana ireo fitaovana azo sy fampiasana ny teknolojia vaovao. Manana fandaharan’asa hikajiana ny foto-drafitr’asa ihany koa ny fanjakana ankehitriny .Vola mitentina 492 tapitrisa Euro (2 200 000 tapitrisa ariary) ihany koa no azo avy amin’ny vondrona eropeanina. Misy tetik’asa ho amin’ny fampandrosoana ho atao mandritran’ny 6 taona ihany koa hatao amin’izany. Ary 490 tapitrisa dolara (1 800 140 tapitrisa ariary) kosa avy amin’ny USAID ho fanampiana ny sehatra ekonomika sy sosialy isan-karazany. Antenaina arak’izany ny fivoarana goavana eto amin’ny firenena vokatr’ireo vola ireo. Hitondra fandaharan’asa 15 amin’ny tetik’asa 147 ny firenena mikambana. Natao moa izany mba hizoran’ny fiaraha-miasa ankehitriny. Fepetra tokony apetraka kosa anefa ny fitandroana ny filaminana mba hahatonga ny mpamatsy vola hahatoky bebe kokoa an’i Madagasikara.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire