Etats-Unis : Ahemotra ny lanonan’ny « Grammy Awards »
Hetsika iray tontosaina isan-taona ao Etats-unis nanomboka ny taona 1958 ny « Grammy Awards » na « Grammies ». Entina hanoloran’ny « National Academy of Recording Arts and Sciences » valisoa ireo mpanakanto sy teknisianina mendrika indrindra eo amin’ny sehatry ny mozikan’ny indostria américain izany.Nokasaina hotontosaina ny 31 janoary izao kosa ny andiany manaraka amin’ny hetsika saingy hahemotra noho ny valan’aretina. Mety hampidi-doza ny fikarakarana hetsika amin’izao hoy ireo tompon’andraikitra izay tsy mbola nanome daty vaovao hanatanterahana ny hetsika. Marihina fa ahitam-piakarana ambony dia ambony ny trangan’aretina ao Etats-Unis.
