ActualitésTsidika

Cisco Ihosy : Mihomana amin’ny andrana fanadinana CEPE

Mitohy ny fanabeazana ny zanaka malagasy ary miverina an-tsekoly ny mpianatra manomboka ny 2 Jona izao raha ny kabarin’ny filoh any alina teo. Tsy misy fiovana ihany koa ny daty amin’ny fanadinam-panjakana. Ny fanadinam-panjakana CEPE izao no akaiky satria amin’ny 2 Jolay izao ary efa anatin’ny fihomanana ny amin’ny fanatanterahana izany ny fitaleavam-paritry ny fanabeazana rehetra. . Isan’izany ny Fitaleavam-paritry ny Ihosy izay mihomana amin’ny fanaovana ny CEPE andrana. Rahampitso 01 ny volana jona 2021 no hanatontosana izany. Efa tonga rahateo ny laza adina izay natontann’ny tranom-pirity Fianarantsoa. Efa manomboka ny fanamparitahana izany eny anivon’ny sekoly. Noezahan’ny Minisiteran’ny fanabeazana naparitaka ihany koa ny  »Livret auto-apprentissage » sy ny  »Fascicules EPS » ary ireo fandaminana ny adina ara-panatanjahantena EPS amin’ny BEPC. Izany no natao handaminana ny fiatrehan’ny mpiadina ampitoniana ny fanadinana CEPE. Na izany aza anefa anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany no hanatanterahana izany ka am-panajana tanteraka ireo fepetra fiarovana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire