Masindray : Nisehoana lozam-pifamoivoizana, zaza iray naratra
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fasika ampitan’ny Batou Beach, kaominina Masindray, ny harivan’ny alarobia teo. Nidona tamin’ny tranon’olona teo amin’ny manodidina ny fiara iray ka zaza iray no voatsindry vokatr’izany, araka ny voalaza.
« Ny harivan’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 06ora sy sasany hariva, nisy fiara marika Berlingo handeha ho any Taramanana Masindray. Nandeha mafy io fiara io ka tsy nahatana ny hisatra ka nandona tranon’olona teo amoron-dàlana ka dia rodana ilay trano. Vokany, zaza iray no voatsindry tao ka naratra » hoy ny avy amin’ny zandarimaria avy ao Ambohimanambola.
“Misy ireo nilaza fa an’ny zandarimaria io fiara nanao ny loza io, tsy marina nefa izany satria olon-tsotra no tompony ary efa eo ampelatanan’ny zandary miandraikitra ny famotorona ny mpamily izay marihina fa ny zandary avy ao Masindray no misahana izany famotorana izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa taorian’ny nitrangan’ny loza dia nitsoaka ny tompon’ilay fiara nanao loza ity, ka izay efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana izay. Efa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitaly kosa ilay zaza naratra nandritra izany.
Manitra R.
