ActualitésTsidika

Mananara Avaratra: Mpirafy nifamono

Nitrangana famonoan’olona mampivarahontsana tany Ampasina Ambodiampana, distrikan’i Mananara Avaratra ny talata teo. Vehivavy iray namira ny rafivaviny tamin’ny antsy be.

“Maty vokatry ny famonoana azy ilay vehivavy. Maty nofirain’ny rafivaviny tamin’ny antsy be. Nandriaka ny rà ary tsy tana intsony ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Rakotra ny dian’ilay antsy be ny hatony, ny tanany, ny lohany.” Hoy ny mpitandro filaminana.

“Nandeha nitsoaka nandositra ilay vehivavy nahavanon-doza. Rehefa natao ny fikarohana; hita nananton-tena tamin’ny Jirofo sahabo ho 4 metatra teo ny ahavony izy. Tsy nahitana ratra na diana vono teny amin’ny vatany.” Hoy hatrany ny fanazavany.

Araka ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana; vono olona sy famonoantena no niseho. Samy nomena ny fianakaviany avy ny razana.

Laisser un commentaire