Liberia : Toerana ahatsiarovana fahoriana sisa i Ducor
Iray tamin’ireo hotely lehibe nanao kintana dimy voalohany taty Afrique ny Ducor. Nisokatra tamin’ny taona 1960 izy ary nanome fahafaham-po olona ambony sy mpitondra maro eran-tany izay nisy ny emperora avy ao Ethiopie teo aloha Haïlé Sélassié. Anian’ireo ravan’ny herisetra tao an-toerana nefa izy.Tamin’ny taona 1989 izy no nikatona voalohany manoloana ny ady roa nandatsa-drà tao Liberia. Niseho ny taona 1989 hatramin’ny 1997 sy ny taona 1999 hatramin’ny taona 2003 izany ary nahafaty olona maherin’ny 250 000. Lasa fampiantranoana olona tsy nanan-kialofana noroasin’ny filoha voafidy voalohany tao an-toerana Ellen Johnson Sirleaf tao aorian’ny ady izy.Ny taona 2011 indray vao nasim-panamboarana izy saingy lasan’ny Laico (Libyan African Investment Company). Nisy ady goavana nefa tao Lybie ka tsy tontosa ny fanarenana azy. Mbola manantena ny fanarenana io toerana fampidiram-bola sy fizahan-tany io kosa ireo mponina ao an-toerana.
