ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Ivon-toerana ara-panjakana ny CEFOPI

Sekoly fampianarana informatique, nijoro efa an-taonany maro tao amin’ny ary manana traik’efa amin’ny fampianarana ny taranja informatique ny CEFOPI ao Ambohimanambola. Mijoro sy nahazo alalana ara-panjakana izy ary mandray mpianatra amin’izao volana janoary izao.

« Ny ivon-toerana CEFOPI dia ara-panjakana, ary mpampianatra manana fahazoan-dalana hampianatra na Autorisation d’Enseigner (AE) no manofana mpianatra ato amin’ny ivon-teorana. Mandray mpiantra isan’andro manomboka ny alatsinainy hatramin’ny sabotsy izahay amin’izao fotoana izao » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

« Misy karazany ny fiofanana ato amin’ny ivon-toerana, izay mifanaraka amin’ny mampaafaka ny tsirairay avy ary azo isafidianana tsara ny ora hiofanana. Marihina moa fa ireo andiany faharoa no miditra amin’ity janoary ity » hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

Misy moa ny fanadinana ara-panjakana sy ny fizaran’asa ataon’ny mpiofana mandritra ny fotoana hianarany. Amin’ny alakamisy 5 janoary izao moa ny fidirana amin’ity fianarana informatika ity ary efa ny andiany faha 9 no mianatra amin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire